You are here: home > Vetso

SENTO MANGINGINA - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Azo vakiana?

SENTO MANGINGINA

Sento mangingina
Porofon’alahelo
No narotsany ho anao

Ilo-maso nikoriana
Tsy tana nofihinina
No nanorika ny tavany

Antso anaty no nalefany
Hampiherika tandindona
‘Reo Aloka napetrakao

Ny ako anefa no namaly
Tao an-dohasaham-pitia
Noventesin’ireo molony

Fa tsy teo intsony ianao
F’efa lasana nandao

Malalason 02/10/2006

Sokajy : embona

Hevitra mandeha

vetsoko (17/12/2006 12:36:25)

ndriiiiyyy