Sentom-po (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SENTOM-PO

Tamin’iny lalana iny
Teny isika no nandeha
Raha nampiaraka fahiny
Nisangisangy, nihomehy

Tamin’iny toerana iny
Teny isika no nitoetra
Raha nampiaraka fahiny
Tamin’ny ora tsy voafetra

Tamin’iny oran’iny
Teny isika no nisaraka
Raha nampiaraka fahiny
Ny sentom-po, no niraraka

R. JO
27/11/04
Ankadifotsy
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1222 2
Mpakafy: Malalason - bitaka
Hevitra mandeha
rafilozofy ( 27/11/2004 13:46)
Samy misedra ny toy izany daholo amin'ny ankapobeny ny mpifankatia. Tsy hohadinoina mandritra ny fotoana tsy voafetra koa izay nitranga rht ary ny tia tsy mba manadino fa tia lalandava.
RafilozĂ´fy
rafilozofy ( 27/11/2004 13:48)
Aza misento fa izaho mbola eto, hihihihihhh
jeroma ( 30/11/2004 10:04)
Tena adinonao R JO ilay hoe:
Tamin'iny efitra iny
Tao isika no natory
Raha nampiaraka fahiny
Tamin'ny sento oriory

Njaka



Malalason ( 01/12/2004 10:07)
tena adinoko marina m'saotra tam'le tohiny e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161