You are here: home > Vetso

SORONA - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Azo vakiana?

SORONA

Hisoronako ny tenako
Raha ny aminao malala
Ary tsisy anenenako
Na dia tsisy hahalala

Hisoronako ny aiko
Na tanteraka na tsia
Ny amintsika ry lalaiko
Tsy ho rava sanatria
Hamoizako ny havana
Raha izay no ahatontosa
Ilay herin’ny fitiavana
Tsy mihena fa miavosa

Hamoizako ny namako
Handaozako ‘reo Ray sy Reny
Ireo hany mba fananako
Raha izay no fandreseny

Malalason 01/2007

Sokajy : Fitiavana