Tafolanitra ny foko (val tonokalon'ny eja hoe tiavo ilay v - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Azo vakiana?
TAFOLANITRA NY FOKO
Indro hatsotrako ny tanako
Hiondananao rahavako
Hampanofy mamy anao
Ilay Paradisa soa sy vao
Saha-Edenan'ny Fitiavana!
Indro homeko hanjakao
Ny fiainako ho anao
Ho ravahanao maharitra
Toy ny rahona eny an-danitra
Taratry ny hasambarana!
Indro aho hanetry tena
Sy hanao ilay fanekena
Hitondra lakan-jejo kely
Hitati-bitsika tantely
Ary miora ho anao!
Ireo fasika tateriko
Ho eny anivon-dranomasina
Hanosodoko ny endrikao
Fa tiako tsotra izao
Raha ory noho ilay tiako
Ka ahitany fahasambarana
D'izay no tena fitiavana!
Ka ny fitia izay itiavako
Anao irery anie rahavako
Dia hain-tany sy ririnina
Tafolanitra ny Foko
Lohasahan'ny toloko
Ka tsy tana sy fihinina
Hanome tanteraka ho anao
Ho ren'izao tontolo izao
Izay rehetra tena mety
An-tsearasera na an-gazety...
Fa nisy malaza tsy Poety.
(Ianao izany)
Malalason 23/06/05
Hevitra mandeha
nyeja (23/06/2005 12:22:02)
babo tanteraka aho e tena mba tiako raha misy olona miteny ahy toa izany, mendrika ny tononkalo @ andro fampankarana izy ity ry namana !
tehaka mafy be ho anao ry namako malalason !
Mombamomba
Mpanoratra : Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Nampiditra : MalalasonDaty : 23/06/2005
Mpamangy : 1004
Mankafy : 6
Tononkalo hafa
ENY AN-TSANDRIN’OLON-KAFA NO NAHASAMBATRA ILAY TIAKONY OLO-TIA ADALA
NITOHY...
NEKENA FA NOLAVINA
JODASY MPAMADIKA
TSY HIANDRY ANDRY INTSONY RY MALALA
HAMOY FO MANGINA
NITETIKA NY HO KALA BE
MIHELINA TOKOA (Val Ton Ny Kanto MIHELINA)
SANATRIA, TSY FANAKIANANA