Taiparasy (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho an'ilay tsy nahatana ny voadiny nilaza fa hoe :
fitiavana "TSISY TASY" hay ka feno "TAIPARASY"

TAIPARASY

Herintaona hoatr'izao
Ilay vaninandro nahitako
Ilay salovantavanao
Tamin'ny lalana nombako


Indray mipika kely monja
Isika roa raha niara-dia
Nisangy riaka dobok'onja
Ninia nikambana lovia

Tao ny stiky tao ny sento
Ny eson-teny tsy lazaina
Ka indro fa ambarako eto
Ny antsika? tsy anjara sombinaina

Samy efa niady mafy
Nivoady ny ho doria
Ho tokam-po tsy hampirafy
Kinanjo, nivadika ny tia

Reo zava-maro nokasaina
Indrisy fa nafoy daholo
Lay taratr'andro vao maraina
Nosomparan'ny tontolo

Na izany aza anefa
Misy ihany tsiaro anao
Mandratra fo kanefa
Hadinoiko tsotr'izao

Satria tsy anjran-tsika
Fa natao ho anao sy "Izy"
Ka tso-drano no haparika
Ilay fitia fony Ankizy

Fa efa indro hampiakariko
Ilay "Voatokana" ho ahy
Iniako haseho habaribariko
Mba tsy hisy fakam-panahy

Ary ny amin-tsika kosa
Aleo tsy hijanona ho mpinamana
Hevero toy ny maty aho
ka tsy ho fantatrao intsony

Ny hiverina dia laviko
Fa ny foko efa may
F'efa nisy notiaviko
Ho doria mandrakizay

Herin-taona nihafiana
Ny ora mamy nisarahana
Irony androm-pifaliana
Ny tangenam-pisarahana

Malalason 11/07/05
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1258 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158