Tangena (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nohambaniana sy mavoina
Noesoina fa kamboty
Ilay malalakely adalako
Hany tokan'ny FITIAVAKO

Noterena mba handefitra
Navela hioty fijaliana
Raha nikasa
Ny hijinja FAHASAMBARANA

Ray ô! nahoana no niangarana?
Ilay adala endriko iny
Fa, amiko izy tsisy tsiny
Fa fanirina ihany izany

Ray ô! raha azonao atao
Eny; raha azonao atao
Valio izao antso izao
F'hifonako raha nisy adalany!
R.JO
--------
Rohy:
1256 7
Hevitra mandeha
sarondrahona ( 19/05/2004 08:44)
Lalina loatra r'ise ny fitiavan'ise a! marina e!
Hoy i Zandry malalan'i Zoky tsy foiny :
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
sarondrahona ( 29/05/2004 10:12)

Mampalahelo tokoa isika Mpifankatia, raha toa ka tsy afaka miaina ankalalahana eny, na dia efa mifanaja sy manaraka ny fomban-tany aza tsaroana ho mangidy na "Tangena"
yonikafopl ( 05/10/2004 22:42)
fa matetika iny tangena iny no mitondra ilay hamamiana tsy mety ritra an!!
lindaglacier ( 09/12/2004 08:58)
atao ahoana tokoa moa raha voagejan'ny ankasomparana sy ny kely tsy mba mamindro ny fitiavana ka tsy afaka mivelatra araka ny hetahetany ny tompony? angamba be ny hamoy fo, ary ho maro ny hiantso tody satria mbola manjaka ny didin'ny be sandry.
tadidio anefa fa izay mamafy rivotra dia tsy maintsy hijinja tadio, tsy ny lohasaha mangina koa no jerena fa Ilay mahita ny ataonao ao @ mangingina, ka mba saino ihany ny atao rehetra fa tsy hitondra anao ho aiza ny harena sy ny voninahitra fa hitondra anao any @ fahambanian-toetra izy @ farany .
Glacier
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153