TARA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho raisinao ny tanany
Ny masony hiantefa
Hanopy maso anao
Fijery mahababo !

Ny molony hisokatra
Hitafa aminao
Fiteny miaro-hanta
Feo mandrotirotsy !

Ny famindra amin’izay
Milanto dia milanto
Tena zava-kanto
Mampierika mpandalo!

Izay olona izay
raha hitanao
Dia mba ilazao
Izao teny izao :

“Tiany hono ianao
Fa saingy menatr’izy,
Hamboraka an’izany
Satria dia tiany loatra,
Ianao, ka tafahoatra
Ny hafanan”ny fony
Hila tsy hitony,
Manoloana anao…”


Malalason 06/09/2006
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1266 1
Mpakafy: Malalason
Hevitra mandeha
Malalason ( 07/09/2006 05:37)
araka ilay voasoratra ao @ tononkiran'ny Solomona hoe :
"Raha mba hitanareo re ny malalako dia inona no holazainareo aminy? lazao fa ... aho"
(Ton Sol 5:8b) Antsika tsi 1 1 ny tohiny
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146