You are here: home > Vetso

TE HIADALADALA @ EFA AN'OLONA - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Azo vakiana?

TE  HIADALADALA

Na dia mbola tsy malalako
Fa vao nirina ho tantanako
D’efa tsinjoko sahady
F’efa hisy haka vady
Ilay olona nosainiko
Ka nakorisako ny peniko

Tara ve ny fitiavako
Ka zary hendratra ny tavako ?
Maniry te hiadaladala
Te hiantso hoe « malala »
Amin’izato efa an’olona
Ka te hiady sy hitolona

Te handrombaka ny anjarany
Te hanohy ilay tantarany
Ka ho mpilalao fototra
Hiaradia tsy ho rototra.
Amin’izay rehetra atao
Dia “ilay ahiko” ho “ilay anao”


Malalason 01/08/08

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Ryana (01/08/2008 19:30:02)

Tsy aleo ve manono-tena izany!
Mankasitraka!
Ryana

achrafhanna (10/08/2008 17:19:43)

tandremo ary sao may.

Hametraka hevitra

Midira aloha