You are here: home > Vetso

TIAKO RAHA GADRA ...! - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Azo vakiana?

TIAKO RAHA GADRA...!

Nangalarinao daholo
Ka lasanao tsy ankiteny
Ireo hany mba nananako!

Tsy nisy iray mba niangana
Na dia sombitsombiny aza
Fa nindaosinao tanteraka!


Voarobanao ny foko ka :
Hotoriako ianao
Ho eny Anosim-pitiavana

Eny isika no hifanaiky
Hiaran-tsazy isika roa
Ho gadraim-pitiavana
Ho Mpivady...

Maha -te hanefa dieny izao sahady!


Malalason RJO 14/09/05

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

vetsoko (09/01/2006 15:00:30)

izaho koa te higadra raha izany !!!!

bitaka (23/06/2006 12:51:36)

andao ary e! za koh hiaraka aminareo

mbitaniavo (23/08/2006 15:31:11)

De inona moa zany fa hiaraka igadra ianareo e!mahereza!

Hametraka hevitra

Midira aloha