TOHIZO NY LALANTSIKA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOHIZO NY LALANTSIKA

Raha samy hifidy ihany
Isika ry vahoaka
Dia aleo ny zana-tany
Teto amintsika no avoaka

Avela izy ho mpandresy
Fa tsara be ny fandaharany
Tsy olona mpanenji-dresy
Ka ‘ndao tohizana ny lalany

Avelao hitabataba
Ny sahona sy ny tabebaka
Fa ny an’ireny basy vava
Ts’hijanona aiza r’efa reraka

Fa ny tanjona tohizo
Ny fanohizana ny lalana
Ankoatr’izay dia midi-kizo
Ka asanao ry Gasy namana

N’iza n’iza tonga teo
Papango lahy anaty katsaka
Nefa ny azy anie jereo
Tena madio mangatsakatsaka

Tsy misy anefa tonga lafatra
Raha mitady izany ianao
Fa ny tena tsara ho fantatra
Dia ny ho avin’ny Firenenao

Andeha isika hiray safidy
Antsitra-po fa tsy terena
Hanefàna ilay adidy
Sy fati-drà hifanekena

Ho tohanantsika hatrany
Na midina na fiakarana
Ka raha samy hifidy ihany
Tsy aleo RAVALOMANANA

Fidio ho aho RAVALOMANANA
Raha hikatsa-pivoarana
Ny vatony ataovy an-tanana
F’izay no tena fahasambarana

Fidio RAVALOMANANA


Malalason 29/11/06
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1306 1
Mpakafy: Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158