TOKANTRANO SY FITIA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotra hoan'ireo manambady na ireo vao manomana hiditra ny @izany hoe fitia izany na ireo efa miaina ao anatiny na mbola Mpisipa aza ary indrindra i Tina R (Yonikafopl)...

TOKANTRANO SY FITIA

Ny tokantrano raha sambatra
Dia tsy noho iza tsy akory
No manambara sy mitory
Fa ianareo roa ihany !

Ny tokantrano raha mamy
Ka hiriana haharitra, doria
Ny fandeferana am-pitia
No ataovy sesilany!


Ny tokantrano dia fitiavana
Tokony iainana isan’andro
Masahana toa nahandro
Tsy ho simba hangatsiaka !

Ny tokantrano fandeferana
Raha tokony ho zaka
Fa tsy avela ahazo laka
Ny kizitina sy siaka !

« Ny tokantrano fihafiana
Raha toa ianao ka Tiana
Ary hiarim-pijaliana
Amin-javatra nirina »

Malalason 19/09/07
(Hilton Madagascar)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2160 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115