Tompo ô ! ifonako (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manaiky aho Tompo,
Fa nahavita hadalàna
Nandika fefy nandrarana
Nanentsi-tadiny taminao

Nohevereiko fa lalan-tsara
No nizorako,
Hay tsapako ankehitriny
Fa diso lalana ny teneko
Dia aiza? Aiza no hiarenako?
Iza no hamonjy ny aina amam-panahy
Vaka izao ny saiko
Ka hitodika; manontany hoe :
Aiza ianao ry Mpiahy?
Mbola mety ve ianao
Raha hiverina indray aho?
Ka hateraka indray
Ao an-tsaham-pahendrena!

Rariny aho raha voakapoka
Sy voateny maharary;
Ary hisaorako anao izany
Fa valin’ny ditra izay natao
Mantsy raha tsy nibedy ianao
Dia efa taiza aho hoatr’izay
‘Lay fahoriana keliko iny
No mbola hiampy afobe ?

Koa raha samy hijaly ihany
Aloe efaina dia eny ety
Fa malahelo kosa aho
Raha hijaly koa rehefa ary

Ankehitriny izao no tanjoko
Hiverina amin’ny lalana tinendrinao
Ka hametraka sahady
Izao fifonanan izao
Tsy ditra ihany no ifonako
Fa ny toetra ratsy rehetra
Mbola mikiky ny fanahy sy mampitsiry
Hevidratsy;

Tompo ô ! ifonako
Tsy izaho irery ihany
F’indrindra ny ankohonako.

R.JO (15/06/04)
--------
Rohy:
1246 3
Hevitra mandeha
rafilozofy ( 08/09/2004 05:57)
Tena isaorako anao fa mitovy eritreritra isika t@iny. Mampitahotra mantsy ny afobe io, kanefa ny heloka hibabohana hono mody rariny. Sambatra ihany isika manana an'ilay Andriamanitra tsara fanahy sy mamindra fo ka izy no antenaina rehefa avy eto.
Mivavaha foana! Dia mifampivavaka foana koa e.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144