TOMPON-TRANO VAHINY (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOMPON-TRANO VAHINY

Mba nitsaty aho indray andro
Nanantena mba hahazo
Tao amin’ilay fihaonana…,

Indrisy anefa fa nolaviny
Fa vahiny no tadiaviny
Izaho gasy mitovy aminy
Ka tsy haravaka ny akaniny

Notsoriny avy hatrany
Nasainy niala tany
Fa vazaha no tadiaviny
Ary ireo no tena maminy

Dia ontsa akia ‘ty foko
Nieritreritra mangina
Raha toa izao ny gasy rehetra
Mety ho very olon-tiana

Indray andro any
Mbola ho tadiaviny
Izaho ilay nolaviny.

Malalason 15/10/07
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1196 1
Mpakafy: Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145