TSY FANAPERANA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY FANAPERANA

Fa ngah raha fanamperana ny hatsaranao
Dia entinao hitety izao tontolo izao
Fa ngah izy io tantely ka tsy ho lany mamy
Sa atao fotsiny amin’izay alehany any?


Fa ngah raha be ny harena ilomanosanao
Dia izao rehetra izao ataonao kilalao
Fa sao heverinao fa ny androany ihany
No andro tena tsara sy tokana aman-tany

Fa raha nosaininao fa tsy ny hatsarana
No entina miebo mameno ny Tanàna
Dia tsy ho lany mamy ny tantelinao
K’izao rehetra izao dia azo atao lalao

Nomena anao ny saina, mba hiheveran-tena
Mba tsy ho tapenamaso amin’izay jerena
Fa raha tsy fanamperana ny fitiavanao
Dia hanao Frera izao tontolo izao

Malalason 24/09/07
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1109 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103