Very ny hasina (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VERY NY HASINA

Asa ianao raha toa ahy
Fa isan’andro izao
Tsy Alahady tsy andro fety
Fa hitanao mirentirenty
Eny anivon-dalana eny
Zatovo maromaro
Mitsitoko mifangaro

Toa variana mikorana!

Ao ny mialalao karatra
Ao ny minono tavoahangy
Ao mifoka sigara
Asa ! angamba hoy aho
Aminy izay no tsara, fa amiko

Maloto ny tanĂ na !

Ny karazan-teny maro
Dia teneniny avokoa
Ka ny ndr manjary nj
Ny aoriana lasa aloha
Ka ;
Tsy haiko na izaho no tara
Na izy ireo no diso aloha
Sa ny tany no mivoatra?
Ka heverina ho tsara
Na ny ratsy indrindra aza
Dia hadera haseho vahoaka

Hoe : izany aho fa maharaka
Ny any ampitan-dranomasina
Nefa indrisy VERY NY HASINA
Fa ilay naha GASY ANAO
Aiza ? very tsy hita …

Ka zary toa mihanahana.


R.JO (2003)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1186 2
Mpakafy: bitaka - Malalason
Hevitra mandeha
yonikafopl ( 05/09/2004 21:04)
Tena mampalahelo tokoa ry Malalason , nefa atao ahoana e!!
bichette ( 06/09/2004 07:17)
malalason, faly aho fa mbola misy tanora toa anao tonga saina ny amin'izany zavatra izany...
NyKanto ( 06/09/2004 07:57)
Ny aty ampita koa dia tena mahonena, raha vao mahadingana an'Ivato hono dia adino ny an'ny tena ...

Ampamoizan-teny,
Ampamoizan-gasy
Ilay teny malagasy
Any sy hatraty
Mihafy sy mangasihasy!!!

Ny Kanto.
Malalason ( 07/09/2004 11:26)
tandremo ary sao manao toy izany koa isika ry Namako isany aty an-dafy aty an!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0577