You are here: home > Vetso

VOALOHAM-PAHASAMBARANA - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Azo vakiana?

VOALOHAM-PAHASAMBARANA

Reo sangisaninay, niarahana nifaly
Mbola ho tsaroany, hifantsika ao am-pony

Reo adiadinay, nahatonga fisarahana
Mbola ho tadidiny, tsiaro toa tsy fidiny

Reo teny maharary, izay tena nampijaly
Hiova ho teny mamy, hampangina reo tomany

Reo avonavom-pony, izay tena tsy hita intsony
Hiova ho fivelarana, ho fo mangarangarana

Dia ho tsaroany indray, ilay fotoana nisantarana
Nigohana ny soa, voaloham-pahasambarana.

Teny an-dalan’ny FITIAVANA.

               Malalason 19/06/08

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

pissoa (23/06/2009 11:58:52)

Manja be :)