VOLANA AOGOSITRA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOLANA AOGOSITRA

Tonga indray ity ilay volam-pialantsasatra
Nihaonako tsy nahy, nitopy maso anao
Teny amorontsiraka, ary efa fantatra
Fa na ho ela na ho haingana, tsy maintsy hifandao

Tsy nahakivy anefa izany fa mainka nampahery
‘lay raotram-po nangotraka tao anatintsika
Ninia namboatra saina sy nifampahery
Fa mbola hihaona ihany raha anjarantsika

Fotoana tena lafatra, sy tena tsara indrindra
Ilay herika manify, toa miendrika tsodrano
Ny tsikitsikinao, reo teny tsy hay afindra
Ny fitiavantsika, mahery tsy mahamamo

Dia nifankatia isika, toa tsy ho faty mihitsy aza
Fa na inona natao dia niarahana namita
Angamba tsisy teny mety hanambara sy ahalaza
Ilay zaha(tra)-pitiavantsika nirina ny ho tafita


“Mamy tokoa raha ny fiarahana, nirina mba hitohy
Nirina mba haharitra, nefa tsy maintsy nofaranana
Fa hisaraka …“
Malalason (01/08/07)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1218 1
Mpakafy: Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144