niandry - RANAIVOMANANA M Jean Félix
Azo vakiana?
Teo aho no niandry anao
Dia mbola miandry hatramin'izao
Tsy kivy fa mbola manantena
Ny hahita anao tsy mihena
Toa niandry foana teo,
Ny ora aza efa dify
Izaho niandry nanantena
Nefa ianao tsy tonga
Ny hampitso aho tsy mbola kivy
Fa niandry anao hatrany,
Toa mahita anao avy lavitra
Aneritreritro izany
Nefa indrisy nony ampitso
Tonga ianao fa saingy indrisy
Olon-kafa no natao mba hitantana ana
Izaho nangaina sady gina
Tsy nahabanjina anao .
Sokajy :
fitiavana
Hevitra mandeha
tia2005 (04/08/2005 12:33:19)
ndriii! ratsy izany tantara izany ê!
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RANAIVOMANANA M Jean Félix
Nampiditra : ralhixDaty : 01/02/2005
Mpamangy : 1227
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ManantenaSento sisa
indrisy
Manantena
tsy sahy
naleonao
leo
nahoana
diavolana