tsy sahy - RANAIVOMANANA M Jean Félix
Azo vakiana?
Hitako ianao fa nibanjina ahy;
Niondrika, toatoa menatra angaha
Narahako mora nantoniko kely
Ny bikany aloha dia endrika anjely
Nosafiako ny làlany, ka dia nifanena
noraisiko ny tanany , avy hatrany dia nekeny
Ny nifiny mitsiky toa zava-mahery
Kanahatonga ahy nangovitra kely
Niresaka izay nony avy eo
Ny fotoana nomeko tsy hampitso fa izao
Ndao hitsangatsangana izaho sy ianao
Tsy nisy fisalasalana ny fony
Avy hatrany dia ny ENY no novetsony
Hariva ny andro nijery sary mihetsika
Ny famindra midola;misangy ny fihetsika
Ny resaka mamy tsy hifarana vetika
Ny tanjona tsy ho tara sa
Hevitra mandeha
vetsoko (15/01/2005 22:14:05)
mmmmmh!mahatsiaro sambatra mihintsy ianao izany a!bonne chance ralhix a!
tia2005 (04/08/2005 14:27:59)
Mombamomba
Mpanoratra : RANAIVOMANANA M Jean Félix
Nampiditra : ralhixDaty : 14/01/2005
Mpamangy : 1405
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ManantenaSento sisa
indrisy
Manantena
niandry
naleonao
leo
nahoana
diavolana