Sento sisa - RANAIVOMANANA M Jean Félix
Azo vakiana?
Tao an-tsaiko , tsy voafafa
ilay endrikao sariaka
misy marim-pandaingana
ny takolakao mitsiky.
Misoratra tsy mety miala,
ato an-tsaiko 'zany tsiky
mampivetso ny fanahy
ny hoe : HITIA ANAO .
Mahalasa vetsovetso
ka mahatonga sentosento;
Nefa indrisy fa tsy anjara
ny hiantso anao hoe :>
Hevitra mandeha
nyeja (12/12/2004 08:54:38)
indrisy tokoa fa dia nahoana kosa hono ?
mahereza fa tsara ny sangan'asanao