FIHARY NY HARENA « MARINA » - RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
Azo vakiana?
FIHARY NY HARENA « MARINA »
Ny harena ve ?
Tsongo anana andro ririnina :
Tsy misy iangarana, tsy misy hoe ambinina
Fa izy mahatsindrotsindroka,
No mahafeno harona.
***
Ny harena ve ?
Tsy inona akory fa tsimpo-tain’omby :
Tsy misy voahozona ka hoe tsy hahomby
Fa izay mahatsimpontsimpona,
No mahafeno sobika.
***
Ny harena ve ?
Tsy katra-baventy na oram-baratra
Ka indray miraraka be toy ny halatra
Fa toy ny erikerika,
Ka mahatondra-drano.
***
Ka sao manao tanan-dRabeangotingoty
Tsy mandray ravin-deno, tsy tia miasa mafy
Malain-kamboly nefa vonon-hioty
Te-ho sambatra ihany fa malain-kiafy !
Andeha hiasa mafy, andeha hiasa tsara !
RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques 26/10/17
Mombamomba
Mpanoratra : RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques

Nampiditra : J.Jacques
Daty : 28/02/2020
Mpamangy : 650
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
MANDRA-PAHOVIANASAKODIAVATRA
MOLOLO
VALISOA
JESOA HAZAVANA
MISY ANDRO …
ILAY ANDRO MALAZA
NY AINA
RAZANDRY!
HAVAOZIKO