HAVAOZIKO - RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
Azo vakiana?
HAVAOZIKO
Ny fianako taloha,
Nifandimbiasan’ny ratsy tsy mahasoa
Noho ireo safidiko tsy araka ny anao
Kanefa Ianao Jesoa
Toa tsy mba sasatra
Niantso ahy hatrany
Mba hateraka indray
Ny mbola ho avy koa
Tsy mbola fantatro izay mety hiseho
Fa ny hany tokiko dia Ianao hamonjy ahy
Ka hiezaka aho Jesoa
Ny tsy ho sasatra
Hiantso anao hatrany
Mba havaozinao indray
Ka indro havaoziko eto
Ny tokiko hatrizay
Na ho faly na ho sento
Hanompo anao ry Ray
Ny androko sisa rehetra
Atokako ho Anao
Omeko tsisy fetra
Ho anao mandrakizay
Mombamomba
Mpanoratra : RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques

Nampiditra : J.Jacques
Daty : 29/02/2020
Mpamangy : 765
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
MANDRA-PAHOVIANASAKODIAVATRA
MOLOLO
VALISOA
JESOA HAZAVANA
MISY ANDRO …
ILAY ANDRO MALAZA
NY AINA
RAZANDRY!
NY FITIAVANTSIKA