Eny, Alina (Randja Zanamihoatra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny, alina


- Alina !

tsia, ry mpiambina malala ! mbola miafitra etsy aniva
Ny salovana somamby niafaran’ny taratr’andro
nitsontsorika mankany :
Mbola izao manako izao ny fara-ezaky ny antsiva
Miala aina moramora eny an-tsefa-draho-mihandrohandro :
ny hariva mitomany !


Injao manetsaketsa maika ny mpitoto sy ny hirany,
He, ny vodilanitra aza mbola miezaka hanohitra
ito aizina eny an-dalany ;
izatsy zazavavy izatsy mbola miandry ny fidirany
Ka mitazana tsy miala, eny am-baravaram-bohitra
ny fiavin’ny malalany.


(Omaly koa - toy izao - ..... ....
........... )
Eto anivo izao ny alina !


Mangina sy mamelovelo ny tokotanin’ny tanàna...
Oriory mahagaga izato ambain’ny habakabany
manalona etsy ambony ;
Lasalasana ambiroa irony morona fitana
Nony very poka teo izany feon’ny koratabany.
Eny, alina tokoany !


Kintan-kely mahatsiahy sisa mantsora ny aizina !
Injay ny “zovy mitarazo” sy ny rodorodom-mpiambina
misafo manodidina
Fa mitambatra ho ao, mitaria tsy azo laizina
Ao anaty torimaso ... ; injao ny nofy, misakambina
ny vetso tsy hanidina ...


Alina hafahafa ! Alina tsy haiko ambara !
Alin-tsambatra ? tsy fantatro ! alina mamelovelo...
fiaretan-tory koa...
Niarina aho... dia nisento ka niampofo ny Tantara ;
Injay nanevitevika ahy, izany sintan’alahelo...
Eny, alina tokoa !


Mpiambina ô ! ny zovinao manatsafa ny any ho any !
O ry foko koa injao fa mamakafaka ny alina !
‘Ndeha hiaraka hisaina
Ka handrendrika ny feo ho “FANAHY -MAMINANY”
Sao mba fantatsika ety ny “zava-miafina sy lalina”
- mandra-piavin’ny Maraina.



Randja Zanamihoatra
--------
Rohy:
7856 1
Mpakafy: donna16
Hevitra mandeha
pissoa ( 01/05/2008 20:08)
Nalaiko tao amin'ny blaogin'i Rajiosy : http://web.mac.com/mhrakoto/Site/Blog/Entr%C3%A9es/2008/4/28_Eny%2C_alina.html

Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Randja Zanamihoatra
Nampiditra : pissoa
Daty : 01/05/2008 20:07
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145