Malagasy mankany (Randja Zanamihoatra)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny hoy aho Ramalagasy
Malagasy be fivoarana
Tsara haingo, tsara vasty,
Tsara sampy, tsara anarana
Izato fietsiketsikao eh!
Iazato fomba amam-piteny
Ianao no tena "Malagasy" fa tsy ireny Ntaolo ireny

Satrinay hitsinjo ihany
Izato anao mirehareha
Borizanom-pandrosoana, miedinedina fandeha
Soa manko nitanila ialy Rafotsibe nidraiko
Ka nanajanaja hoe:
mandeana somboniaiko

Soa fa niato kely koa, Rangahy
Ilay antitra efa goga
Zay nisatroka haibano
Sy nitafy lamba soga
Zay mivimbina entan-kely
Toa tsy zakany sahady
Ka nihoaranao malaky
Tsy nanaovanao azafady

Taitra ihany Ingahibe
Nahita anao nivatravatra
Ka nitraka moramora nefa de namihin-tratra
"Eny..." hoy izy,
Velon-tseto
"... mafy zany katsy toha..."
"Saingy ho aiza moa ny tena,
Izao no Gasy tafafoha

Tafatombina Rangahy
Zary lasa kaodikaody
Iny koa niserana azy
Tovovavy be lamaody
Irony ilay mitentin-doko
Sy mibory volo irony
Sady tsy mitafy lamba
tsy miteny gasy intsony

Dia indreny koa nandalo
Mpiara-dia mifampitantana
Ankizy lahy sy ankizy vavy
amin'ny tena fisandratana
Moa va ts mpivady mintsy?
Amin'izato fombafombany?
Kinanjo tsy izany loatra
Raha natao ny tombatombana

Nantenain'Ingahibe
Fa mba hanaja ireto zaza
Nefa loza no nataony fa nifampikitika aza
Dia nifampikimokimo
Ndeha hiserana handika
Ingahibe no niarahaba ireto zana-kavantsika

Eny hoy aho Ramalagasy
Malagasy be fivoarana
Tsara haingo, tsara vatsy,
Tsara sampy, tsara anarana
Tsy hanozona ny Ntaolo
N'inona n'inona natao
Saingy masina ny SATA
Izay voahitsakitsakao.
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka
15268 18
Hevitra mandeha
karako ( 05/07/2007 16:24)
Eny iky...
zakilinina ( 07/07/2007 21:07)
Nomeko isa 5 izy ity satria kanto loatra. Na izany aza moa ry hmilay dia mba asio ezaka kely ny fandikana fa be diso tsipelina. Raiso kely ange ny andininy voalohany ê !
"Eny hoy aho Ramalagasy
Malagasy be fivoarana
Tsara haingo, tsara vasty [vatsy],
Tsara sampy, tsara anarana
Izato fietsiketsikao [fihetsiketsikao] eh!
Iazato ;'izato] fomba amam-piteny
Ianao no tena "Malagasy" fa tsy ireny Ntaolo ireny
Mazotoa ê !
joliemimi ( 29/10/2007 12:06)
tononkalo iray efa hita soritra tany an-tsekoly, tononkalo tena raitra ary nanindrona ny foko.mamy betsaka
Lemonja ( 26/08/2010 02:59)
Mba tandremo ihany ny tsipelina rehefa manoratra @ itony tranonkala itony...Be diso ao @ Tononkalo!
hmilay ( 30/08/2010 05:41)
misotr amlé critique fa manatsara zavatra zan! fa maika be fotsin za nanoratra an'io fa tiko be io tononkalo io ary anisan nampazoto ahy t@taranja malagasy.
karako ( 19/10/2018 13:56)
RANDZA Zanamihoatra no anaran'ny mpanoratra fa tsy "Ranja". Misaotra e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147