.Omeo ahy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'i Dafy Noely hoe "Omeo"

Omeo ahy ny kianja midadasika, sy ny kijanan'ny fitia
hanenjehako ny lasa, sy ny tsy vita hoe avia
Omeo ahy ny tontolon-dalan-dio, hampiakarako ny sefo
hilazako sy hizarako fa mamy ireny tsy marefo

Omeo ahy ny habaky ny alina, ny hadirin' ny noanoa
hitantarako tsy mitsahatra, ireo mamintsika roa
Omeo ahy ny rahampitso, ny hoavy sy ny sisany
hanombohako tantara, k'isika roa no atao tanisany

Omeo ahy ny fotoana fohy, hanembonako izany
Omeo ahy ny fahanginana, tsy hizarako ny tomany
Omeo ahy ny voa tsy ary, omeo mba hisentoako lalina
Omeo ahy ny holatry ny lasa, ho takom-periko rahalina
--------
Rohy:
1224 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0312