You are here: home > Vetso

Inona ary izany ? - raozigasy

Azo vakiana?

Inona ary izany ?

Dobok’onja madinika, arahim-peon-drano
Tsy tantara akory io , na arira na angano
Tsy hahazoam-bokatra, raha tsy am-pitingitinginana
Tsy hahenoam-peo raha tsy am-pahanginana

Tsiambararoa ary tsy azo zaraina
Manosika foana rehefa maraina
Handaniana fotoana, tsy misy mitsitsy
Hahitana tsirony, na dia minitra vitsy

Hifamahofahoan’ny kindraindray
Taloha vakiboky, izao lalao finday
Fisentoana ihany koa, sy fandinihina tena
Indraindray fijaliana,raha tsy maintsy terena

Karazany maro no mety hitrangany
Mety manamaivana, mety mampitomany
Mety hoe mampirifatra, tsy azo tazonina
Raha voasongona ianao, ny varavarana donina

Tena marina io, tsy tantara foronina
Io ilay tody tsy misy, mampingonongonona
Fanoharana koa ho an’ny fiaraha-monina
Ilazana izay zava-tsy sahy tononina

Inona ary izany raha toa fantatrao
An-eritreritra fotsiny ianao
Tehirizo ho anao irery koa ny valiny
Sao be tatasiaka, ka tsy hahazoako rariny

© Raozigasy 23/06/19

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha