13 MAI (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
13 MAI

13 mai ange ilay daty
Nitirifirana ho faty
Ireo tanoran’Iarivo
Tsak tsak zato arivo

13 mai anie ilay ivo
Fitakian’Iarivo
Ireo alahelo izay tsy tanà 
Fa teo ny Lapan’ny tanà na

13 mai anie ilay toerana
Fitabana tsy fitserana
Ireo hetaheta izay namelona
Ireo hiakiaky ny “hery velona”

13 mai anie safidy
Fitsipahana ireo didy
Izay tsy ekena fa tsy rariny
Noho ireo fahefana apariny

13 mai anie andraikitra
Raisina rehefa manaikitra
Ny fitiavan-tenan’olom-bitsy
Izay tsy azo ekena mihitsy

13 mai anie politika
Fandavana ireo fikafika
Ka eo ny Toeram-pitolomana
Hiadiana ireo “Mandidi-homana”

13 mai anie tantara
Mbola hitsara any afara
Ireo jadona sy ra nandriaka
Teto anivon’ito riaka

13 mai anie fantaro
Fa tantara mifangaro
Tena tsara ho fantatrao
Fa ain’ny Tanindrazanao
--------
Rohy:
966 1
Mpakafy: Zozoro
Hevitra mandeha
llaingoo ( 13/05/2009 11:51)
Ka 13 Mai ange efa novidian'i alain Ramaroson e. Efa misy bornes dia tsy aleha intsony eny na mbola te hidradradradra fahafahana aza.
hasinina ( 13/05/2009 13:09)
Mankahery sy mamporisika ary manasa hitsidika ny http://sandratra.populus.org/
jari ( 15/05/2009 11:14)
tera sy mahafinaritra ny fipongatry lay aingam-panahy tao anatinao ka de azo tsapainan-tanana loatra ny fahafinaretana eo ampakina azy . de mankasitraka e!
raozigasy ( 15/05/2009 12:37)
Misaotra antsika rehetra mankasitraka e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742