AINA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AINA

Tonga soa ianao ry Aina
Tonga ary dia arahabaina
Faly i Dada faly i Neny
Izahay koa faly ka miteny

Hanta koa dia arahabaina
Tonga soa ilay sombinaina
Tonga soa, tonga tsara
Ilay dimby, ilay fara

Hery koa mbola arahabaina
Fa tonga soa ilay nandrandraina
Ampoka ny hafaliana
Tonga i Aina ilay nirina

Ny vavaka iaraha-mizara
Ny zazakely hitombo tsara
Ho lavi-drofy, lavi-pery
Ilay sombin’ain’i Hanta sy Hery
--------
Rohy:
Sokajy : Fety - Aingam-panahy
1429 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.037