Ainga an-tsotra (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ridiridy maso, mijery valin-drihana, am-pisasahan'alina
rediredy anaty, hiaka anaty gina, tapahin-tsento lalina,
tanisanisa-nofy, mibora-tsy voafehy, an-drofy tsy voarefy
vetsom-pahanginana, manitanita-dia, te hihoatra ny fefy

adin-tsain'embona, visavisan'ambiroa, sisa-kajim-binany
loadoatran-tsiahy, harongaron-dasa, sy ireo tahiry tany
sosasosan-drevy, sononokam-bina,sisasisan-tsiaro
natambatry ny banga, novorian'ny angona, ho arira mifangaro

parasadrasa-teny, nandrasarasa tany, nandotso ny tsy tony
raradrara-drima, dradradradra an-gina, nadridroky ny fony
izay no fanaingam-penina, sy fanongam-panahy, fananganan-kalo,
nanosika ny kanto, nanesika ny tenona, nanasin-tononkalo
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1321 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1056