Alahelon-kanina (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izay ve ilay alahelon-kanina, sa hoe alahelo inonaDia ho gaga angamba ianao, hoe malahelo fa maninona ?
Fa nampalahelo ahy daholo, ireo biby amam-borona
Ireo toaka sy fisotro lany, izay tena nampi-tourne
Ireo dihy sy fety tsy voafehy, sy koranam-pianakavy
Ilay tsy hifohazana rahampitso, hanaovam-pika hoe manavy
Satria tsy takon’ireo, ireto resy an-tapitrisa
Izay sakafo mba arapany ? voam-bary voaisa
Izay kilalao lalaovin-janany ? nonon-dreny efa maina
Ireo teten-dronono sisa tao, tsy mahavoky sombin’aina
Satria tsy takon’ireo, ireto miady amin’ny fiainany
Efa tankina ny feom-bavaky ny fitarainany
Rano sisa tana-aina, mampijoro , mampitsangana
Sy finoana voatsinampy, tsy nahafongana tarangana
Satria tsy takon’ireo, ireto hetaheta fahalemana
Tebiteby tsy mitony, sao dia maty raha rendremana
Nofinofim-pilaminana, lavitr’ady, lavi-keloka
Korontam-piaina tsy mifarana, sarin’afobe mangeroka
Satrin’izy ireo mantsy, hifampizarana ny fem-borona
Satrin’izy ireo mantsy, hisotro kely mba hi-tourne
Satrin’izy ireo mantsy, hiombom-petim-pianakavy
Satrin’izy ireo mantsy, hahazo asa, hoe mba favy
Dia nalahelo kely aho, angamba alahelon-kanina
Hoe fiainako angaha izany, sa izaho no tsy milamina ?
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy