Alao tahaka (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Herintaonam-pitondrana, dia voaongan’ny tanàna
Fa tsy zakan’ny vahoaka, ilay fihenjanan’ny lalàna
Herintaona dia nipoaka, ilay politika diso lalana
Fa natsipin’ny tontolo, ilay filoha tambony ankalana

Dia gaga anao ry Ejipsiana, izany ahay mba tena ohatra
Faka tahaka sy mety, tsy mba politikan-tohatra
Fa mandio ny fakofako, manala lavitra ireo loto
Raha vao ilay fitondrana, no mitady hisafoto

Dia miaiky aho izay, ry mpaka tahaka, tsy mba ny tsara no adika,
Fa ireo fanonganam-panjakana, nahalalana an’i Afrika
Dia faly kely aho aloha, fa avotra ny fireneny
Fa raha I Madagasikara, dia mbola miondrika aho miteny

Satria io fitondrana io, dia mbola sarim-pahafahana
Ilay dimampolo taona lasa, nadika hitovy ts’isy avahana
Raha fandrosoana aloha dia “aotra” , ny omaly foana no miverina
Ny tonta ihany no avadika, ny omaly ihany no atsingerina
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
70 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.033