You are here: home > Vetso

Aleo rovitina - raozigasy

Azo vakiana?

Ho setrin'ny tononkalon'i Dafy Noely hoe MIFAMERINA

Aleo

Aleo rovitina mihitsy izay pejy maloto
tsy avadika fotsiny fa mampivonto
dia pejy vaovao an-daharana "aotra"
no enti-manohy ilay hatrany ankoatra

Aleo fisahana ho marina ny lalam-baovao
alevina im-pito ireo tsy nety natao
ka banji-mitovy, sy tanjon-tsahala
no hiaratsika miria ry malala

Aleo ireo lasa re homban'ny lasa
fa hafotsiana madio, toy ny lamba sinasa
no loha-hevi-pitia hiaraha-manandratra
amin'izay isika roa vao tena ho sambatra

Aleo ireo rano raraka ho maina
ireo fotaka mandry tsy ampiasana saina
ireo troba-pery avelao re hanolatra
fa tantara vaovao no ndao atao an-tsoratra

K'ireo zava-dratsy izay nifanimbana
ndao ialana lavitra fa asan-tsatana
ireo zava-tsy nety, tamin'izay voavoly
ndao ongotana lalina, fa asan-devoly

....

dia avia eto akaikiko, ianao ry malala
avia ampofoiko aza misalasala
akimpio ny maso, dia tohofy ny molotro
dia raiso ilay fitia vaovao izay atolotro