Alikaola (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahafinaritra ahy, ity alikaola ity
ahitako « inspiraka » sady ahazahoako fy
izaho ilay tsy misotro, tena hitako ny fafiny
mijery sy mandinika, ny vokatra sy gafiny

misy sipa tsy haiko mihitsy hatramin'izay
kanefa vao mahazo « coupe » anankiray
dia miresaka tsy mihafa, ary mitantara
ireo miafina any an-tranony, sy ny hafa tsy fambara

misy bandy indray, mahazo vera kely,
dia tonga dia miova, tsy hita velively
tonga dia bogosy sy lasa mafy be,
izy no lehilahy, « ten a izy » sy « vrai »

toy izany koa indraindray, ireo izay sahy mihira
mihevitra azy ho « bodo » vao mahazo « kir »
ny fihetsika an-tsehatra, hoe tena izy no izy
tsy takany mihitsy ireo hehin'ny ankizy

ny tena mampihomehy, ireto loa-jafy
sy raitra am-pihetsika, matotra am-pitafy
mihevitra izy angamba, hoe roapolo taona
ka tsy menatra mihitsy, mandihy irery eny anoloana

izay ny alikaola, raha jerena hoe « ambiance »
mikorana, mihirahira, mikotaba dia mi « danse »
fa ny takona tsy hita, rehefa mihoatra ny mety
dia zavatra hafa mihitsy, zaraiko vetivety

Ireo efa hita izao fa tsy mahatanty,
mbola migoka ihany, na dia marary aty
avy eo mitangolika, miafina mihoaka
ny anaty manontolo, no aloa sy avoaka

misy koa mpivady, rehefa mamomamo
dia miady sy mamoaka, ny korontan-tokantrano
lazainy eo daholo, ny fiainany rehetra
hatramin'ny kely indrindra, tsy misy hoe mba fetra

ny mpandihy indray, rehefa iny fa mivilana
dia miakatra an-tsehatra, mampidera andilana
mampijijijijy, ireo ambongadi-nofo,
ka mampiendratredratra, ireo te hifamofo

misy koa angamba, ireo izay vao nahita
fa ny tavoahangy mihitsy, no naolany ho vita
avy eo manara-drindrina, sy mandrefy lalana
amin'ny farany midaboka, an-tany mitsivalana

ireo rehetra ireo, samy vokatr'alikaola
misy saro-kenatra, lasa molamola
misy kerisay, lasa mafy be
misy mahazo kely, dia lasa toa vedety
misy miha-tanora, lasa tompon'ny fety

misy ireo atambo, izay zakain'ny hafa
ny vady sy ny zanaka, no menatra mijafa
ny fiaraha-monina, no mibaby henatr'olona
rehefa ilay tavoahangy, no ataony fitolona

k'izay ilay ilazako, hoe mahafinaritr'ahy
ity alikaola ity, fa hahafahako mizaha
sy mitantaratara, ny tranga izay vokariny,
fa betsaka ihany koa, ireo faiziny sy anariny

Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1067 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0326