AMORE (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMORE

Malala, Chérie, Amore
Izany foana no faheno sy fandre
Na ato an-trano na aiza toerana haleha
Fa ny fitiavantsika mantsy be dia be


Amore, Malala, Cherie
Izany foana no iantsoantsoako an-dry
Indry ilay tokana tsy foiko mihitsy akia
Fa Fitiavako, Fitiavana, Fitia


Cherie, Amore, Malala
Izany foana no vetsoiko tsy misala
Fa isika hifankatia ts’hifankahala
Fitiavantsika koa tsy hanan-tsahala


Fa na iza anarana iantsoako anao
Ny tsotra sy ny marina dia izao
Ny olon-tokana izay tiako dia ianao
Hatramin'izay izany ka hatramin’izao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1182 0
Hevitra mandeha
pissoa ( 09/02/2006 08:57)
Hmmmmm - mampanonofy tsara ery izy izany ry Raozigasy an ;)
hery ( 09/02/2006 12:29)
TSiky fotsiny dia ampy :-)
raozigasy ( 10/02/2006 08:09)
Tsy ampy intsony raha izay tsiky ry Hery a ! ny anay bisous bisous foana e !! hihihihi
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 09/02/2006 00:36
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0326