Ampefy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampefy

Milentika, mihilana am-paravodilanitra ilay masoandro iva
Midorehi-mena, manjaky ny tontolo ilay lokon-takariva

Mireda toy izany, ny dobok'ati-poko mahatsiaro anao
Ny rehetra manodidina sy ny taza-maso toa tontolonao

Ireo lonjehitra mapazy, tanora mbola maitso moa tsy lonjehitrao ?
Ireo tohizam-bohitra hifandimbiasan-dohasaha, moa tsy tandavam-bohitrao ?

Ireo rian-dranobe, mikorotsaka avy ambony, manamando tany
Tsy ianao indrindra va, amin' ilay fotoana izay, no tsaroako amin'izany ?

Ilay ivon-tanindrazana*, fivavaky ny hafa, misary ivonao
Niakarako ny tampony sy nifaliako jery dia tsaroako ianao

Ilay ranomandroatra** tan-kisilasila, tantsefatsefa-bato
Hahatsiarovako antsika, hahatsiarovako anao, alohan' ny hiato

Ilay marim-pitonian' ny farihin' Itasy, mirakitra tantara
Moa va tsy isika roa, mifamihim-pitoniana eo am-parafara

Ohhhhhh izay ilay redin' ny pôeta arehitry ny foana, am-paravodilanitra
Te hanaka-davitra te hamorona tsy misy, te hanimbolo hanitra

Dia nilentika ilay andro,tonga ny hariva, nikitroka ny aizina
Niangavy farany aho, aleo ny ainga hivoaka, aza mbola faizina

© Raozigasy 04/05/19

* ilay ivon-tanindrazana : Îlot de la Vierge, centre de Madagascar
** Ranomandroatra : Geysers
--------
Rohy:
564 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0343