Andao (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andao isika rehetra Malagasy, hifanampy sy hifanome tanana
Hanao entan-jarai-mora zaka, amin’ny olana iarahana manana
Andao samy hampirina an-tranony, izay hambom-po diso toerana
Ka ny aretina izay ikambanana , no tsara asiam-piheverana

Andao hifamela hifandefitra, raha toa ka misy tsy zaka
Ka ny fihavanana hatrany, no ataontsika tompon’ny laka
Andao isika hamerina indray, ilay fahendrena tamin’izany
Niainan’ireo teo aloha, hoe “mifankatiava ihany”

Andao hifanaja rey olona, fa samy iray fihaviana
Raha misy ny loza manjo, mitovy ny lalana hodiana
Andao hiaraka hanandratra avo, ilay Fanahy Malagasy
Fa izay misaraka fasika, ary izay be koa no basy

Refrain:
Fa mpirahalahy mianala, izy tokiko izaho tokiny
Mifanampy ary koa mifandefitra, na ny zandry io na ny zokiny
Mifanaja sy mifankatia, mandala ilay fihavanana
Raha samy mbola Malagasy, dia tanan-kavia sy havanana
--------
Rohy:
1085 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0324