Andao atambatra hono ny hery (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andao atambatra hono ny hery
Amin’izay tsy mandeha irery
Hiatrika « deuxieme tour »
Tsy hangovitra, tsy hihorohoro

Dia ireo daholo fa tonga nivory
Ireo olona efa nifampitory
Ireo efa nifanompa imaso
Ireo fikambana-malaso

Dia nijoro koa ny etsy andaniny
Namboariny be ny planiny
Hanao kajikajy tsotra
Andao hiaraka hitanjozotra

Ny ankilany tsy latsak’izany
Niantso ireo kandida tsy lany
Hanambatra ireo isan-jato
Mba hampitombotombo vato

Dia ketrehina izay paik’ady
Sy antoko ho mpivady mpivady
Amboarina indray Ireo “staff”
Hanome endrika tsara sy lafo

Dia antsoina ireo teknisiana
Varatra sy matihanina
Dia hoe ekipa be traik’efa
Fa tsy mba ireo zefazefa

Dia hoe minamana daholo indray
Nefa mbola an-kelika ireo kibay
Fa ny tanjona hono hikambanana
Dia ny haha-filoha an-Ranamana

Ny marina no aleo ho lazaina
Fa tsipaky ny miala aina
Tsy misy ny hanaiky gisitra
fa miketrika ny ho minisitra

ny vahoaka moa amin’izany
lalaovina fotsiny ihany
tohatra mba hanjakana
hilibana amin’ny fahefana

Andao atambatra hono ny hery
Amin’izay mba tsy mandeha irery
Hiatrehana ny « deuxieme tour »
Ka tsy hangovitra sy hihorohoro
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
771 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0981