You are here: home > Vetso

ANGAMBA - raozigasy

Azo vakiana?

Ho setrin'ny tononkalon'i hery hoe Angamba ... fa ....

Angamba tsy ho voadradra
Ho ren’izao tontolo
Ilay fitiavana mikoro  

Fa ilay fonao voagadra
Nitahiry sy nikolo
No tena torotoro

Angamba tsy ho tanty
Ny ketoky ny fery
Latsain’ny taraina

Fa vaim-pitia miranty
Mahatsiaro fa irery
Nilaozam-bolon’aina

Angamba tsy vao izao
No nisy didi-antsy
Nandrotika ny fo

Fa niangarana ianao
Voasompatra ianao mantsy
Ka resy teo tokoa

Kanefa

Haiko ianao f’hitraka
K’hanjaitra izato ratra

K’ireny tako-pery
Sisa ho tsara jery

K’any aoriana any
Tantara sisa izany



Hevitra mandeha

jvais (04/09/2006 19:24:20)

mazoto manoratra mihinsy i raozy an !
misaotra azy ihany aloha fa raha tsy izany zay tsy mahay manoratra dia tsy mba mahita ho ambara e.

Hametraka hevitra

Midira aloha