ANTSAHABE (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTSAHABE

Any ianao ry Antsahabe
Ela tsy heno sy tsy re
Ka manoratra sy manontany
Inona ny vaovao any ?

Izahay aty salama tsara,
Tsy dia misy ny ambara
Ny andro no mafana be
Ny fiainana koa hafabe

Manao ahoana ny fidirana
Inoako fa tsy dia sahirana
Ho avy izao ny EFAFI
Tsy mba misy izany aty

Ny Antoko Mpihira koa ahoana
Ela mantsy tsy nihaona
Rahoviana moa ilay hetsika ?
Sao misy hahafahana mihetsika

Ary ny Sampana Tanora
Inoako fa misosa mora
Inona ny seho manaraka ?
Sao mantsy dia afa-miaraka

Ankoatr izay tsy misy ambara
Ny fiainana moa mandeha tsara
Manoratsoratra fa manina
Mahatsiaro ny fety sy ny hanina

Dia veloma vetivety
Mandalo ihany rehefa mety
Veloma ianao ry Antsahabe
Fa mbola hihaona ihany ange ...
--------
Lien:
Catégorie : Fahatsiarovana
2516 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0311