ANTSO VONJY (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malahelo aho ry vahoaka,Ka tsy maintsy hoe miloaka
Izato fahoriam-poko
Ka izay no italahoako
Malahelo aho ry sakaiza
Nefa moa afaka ho aiza
Ka manentana antsika
Todiho ny tanindrazantsika
Any mantsy ny ankizy,
Tena sahirana izay tsy izy
Na ny sakafo , na fitafy
Tena hita hoe mihafy
Ny sakafo moa tsy zarizary
Angamba azontsika an-tsary
Ny akanjo rovi-damba
Izao ilay salaka angamba
Manampy trotraka izany
Ny fahantrana manginy ihany
Fa ny hoavy tsy ho laitra
Satria tsy mba mandray solaitra
Ka mbola kely dia voatery
Handova habadoana irery
Satria na dia hamaky taratasy
Tsy hainy ka mangasihasy
Dia tonga saina aho manontany
Mba tena fiainana ve izany ?
Fidiny azy ve izany ?
Na samy malagasy ihany
Ny fiainantsika mantsy aty
Ariana ny ambiny an-dovia
Isam-bolana tsy mihafy
Fa misolo ny fitafy
Ny fianarana vao kely
Eny na dia zazakely
Dia efa terena mba handia
Hanomboka ny ABIDY
Ka tonga saina ihany aho
Sao re misy ny azo atao
Samy malagasy isika
Na dia lavitra ny riaka
K’androany aho tsy nahatanty
Fa mba tohina ny aty
Ka manao izao antso avo izao
Ry malagasy rehetra andao
Andao isika hiara-hientana
Hifampizara izany entana
Sy vesatry ny fiaraha-monina
Ireo atambo tsy hay tononina
Andao isika, hiara-hijery
Ireo havatsika very
Tsy hahita izay ampitso akory
Ka hoe voky dia hatory
Andao isika hifanampy
Ka ny manana ny ampy
Hanolotra , sy hanome
Izay sombiny mihoatra re
Andao isika, handray andraikitra
Ka hanamaivana ny kaikitra
Sy ngidim-piainana mianjady
Amin’ireo sahirana mitady
Todiho ny tanindrazantsika
Izay no hanentanako antsika
Ireo tsy afaka mankaiza
Ndao mba ampiana re sakaiza
Ka izay no hitalahoako
Fa tsy tantin’ito foko
Ka mahatonga ahy hiloaka
Hiantso vonjy ry vahoaka
--------
Rohy:
Mpakafy:
pissoa
Hevitra mandeha
12
(
02/06/2006 14:23)
marina izany nefa atao ahoana moa