Any am-bohitry ny very (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba tena Rahoviana hono, vao hatao ity fifidianana
Fa efa tena sasa-miandry, izahay mpivarotr’anana
Fa mba mety handeha ny tsena, ilay saringotra ho voasolo
Rehefa voazara ireo akanjo, misy karazan-tsarin’olo

Ireo mpiantsena teo aloha, angamba hiverina indray
Fa mety hahazo vary kely, angamba hoe kilao iray
Dia hividy roanjato, hasomidika amin’ny “tourteaux”
Hanova kely ilay ampango, karaman-tati-“tsarbô”

Ny any an-tanàna hikorana, hanadino ireo kafiry
Fa hizarana “demi-bota”, mody hoe odi-kirifiry
Sady mba handeha fiara, ilay mpaka maro mba “mirill”
Hamonjy ireo jirobe, hijery fety any amin’ny “ville”

“Congé” kely ireo “mpisam”, fa hametaka “afisy”
Hilamin-tsaina indray ny ankiziny, fa hitondrany voa-tsaosisy
Hanao “rami” any an-tranony, izao ry kala makorelina
Fa mba misy atao “plisy”, hamidy voandro sy “hydromiel”

Mba hitsilopy kely indray, ilay elakelan-dalam-potaka
Fa misy tifitifi-jiro, ambiroan’ny “ambotaka”
“Vam” mpizara vola, mpizara toky vandivandy
Mpividy amin’ny lasiroa, ilay sisa zon’ny bandy

Ho feno kazaran-tsarin’olona, araikitra eny am-baravarana
Hanakonana ilay hazo, efa lo mangarangarana
Amin’izay mitovitovy, ny endrikendriky ny trano
Dia toa adino vetivety, ilay heniheny tondra-drano

Ho faly ireo mpivaro-mofo, hanangona ireo taratasy
Afafy kitrana etsy eroa, hamonosa-mofogasy
Ireo be ketrika efa miandry, “avec lame rasoir”
Hanendaka ireo “banderole”, hatao “Rideau” any amin’ny “bar “



Dia Io fifidianana io, no sisa mba mitondra jery
Ilay aizin-dava ts’isy jiro, any am-bohitry ny very
Ka izay tohiny avy eo, tsy hisy hainy, tsy ao an-tsainy
Fa ilay tobaka propagandy, iny izao no andrandrainy
--------
Rohy:
1077 0
Hevitra mandeha
karako ( 12/07/2013 19:28)
:-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0304