AO . . . (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AO . . .

Ao am-bavako ao
mbola misy tsironao
ilay faly mankafy
mamy sady tia

Ao am-molotro ao
mbola misy molotrao
manoroka sahisahy
maharesy lehilahy

Ao am'masoko ao
mbola misy masonao
manao fijery lalina
anaty sasak'alina

Ao an'oroko ao
mbola misy fofonao
ilay manitra fitia
malefaka, malia

Ao an-tsofiko ao
mbola misy feonao
mibitsika maraina
hoe mamy ery ny miaina

Ao an-tanako ao
mbola misy tananao
mihazona mamikitra
mitantana mifikitra

Ao an-tendako ao
mbola misy tendanao
mitodika miolana
manadino ny olana

Ao an-damosiko ao
mbola misy rangotrao
ilay nandrovi-tsihy
fa resin'ny fitia

Ao an-tratrako ao
mbola feno dinitrao
ilay tsemboka ery
fa mandina fitia

Ao am-poko ao
mbola ao ilay fonao
ilay fato-maty amiko
Tiako sady mamiko
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1910 1
Mpakafy: glita
Hevitra mandeha
katiaa ( 13/02/2007 14:58)
kay!!!
hery ( 28/02/2007 11:33)
he he...

Ao an... ao
Mbola misy ...
Eny efa fantatrao
Mahavelombelon'aina
katiaa ( 05/03/2007 21:38)
hihihi mdrrr
bemalita ( 20/12/2007 13:26)
tsara e
mangidy ( 13/10/2009 17:53)
hummm ao @ le oui
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0524