Ao am-piangonana !!! (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ao no hitanao :
Ireo mpijery bika, mpitady tafy hadika
Ireo volo tsara bango, ireo teny feno lango
Ireo maso feno jery, fa tsy ho irery
Ireo mpizahozaho, sy tonga hilalao

Ao no henonao :
Ireo mpifanao fotoana, fa ela tsy nihaona
Ireo mpiresaka sakafo, sy kojakojan-tafo
Ireo mpifosafosa ,namana osaosa
Ireo hafa sy ny sisa, tsy ho ary voatanisa

Ao no miampify
Ireo hafa tsy mba miavaka, fa tonga tena hivavaka
Ireo tonga handray fanahy, sy hanala ahiahy
Ireo sahiran-doha, te hanadio ny fo
Ireo feno adin-tsaina, be vesatra zaraina

Ireo rehetra ireo, ao no mifangaro
Maso, saina, jery, toetra mifangaro
Izay mety ho misy anao, jereo dia fantaro
Ny mety no tazony, ny ratsy hifananaro
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
875 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0311