AOKA IZAY (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aok’izay ilay nofinofy, revirevy
Fa atreho ilay hotra-piainana mandevy
Aok’izay ilay sidin’eritra an’habaka
Fa amin’ny fiainana isan’andro aloha mivavaka

Aok’izay lay hoe an-dafy paradisa
Fa ny ampitso aloha ataovy tsara visa
Aok’izay ilay faniriana tsy ho tanteraka
Fa izay hohanina androany aloha ateraka

Afoizo ilay tolotra valala tsy an-tanana
Fa omeo ny zaza aloha izay ananana
Aok’izay ilay kajikajy sy adisanina
Fa ny anio sy ny ampitso aloha omanina

Aok’izay ilay “raha” feno vinavina
Fa ny androany aloha atreho am-pitsikiana
Aok’izay ilay ariary zato ao am-pandriana
Fa izay azon’ny “euro” iray aloha vidiana

Aok’izay ilay resabe sy ny kabary
Fa izay zava-tena misy aseho sary
Aok’izay raha ny fampandriana adrisa
Dia ny fiainanao amboarina amin’ny sisa
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1155 1
Fans: raozigasy
Commentaires
rainstorm ( 22/10/2010 10:13)
Aok'izay ny redy feno hevi-dravina
f'ireto olona mijaly aloha tiavina
kiriah ( 22/10/2010 10:27)
Aok ' izay fa ianao hoa mahay
ny talentanao diso fantatray
aok izay fa sao zahay mivika
ny fahaizanao iarahana mahita
raozigasy ( 01/12/2010 21:30)
aoka izay aloha ilay aok'izay
fa amin'ny manaraka mitafatafa indray !!!!
Aynah ( 19/01/2011 22:04)
Tsy aok'izay aloha ilay "aok'izay",
F'ilay hevitra tena ankafizinay,
Voabango ao avokoa izahay...
Mpanao revin-gadra hatrizay!

Zay ary vao tena "aok'izay"
Fa raha voadona mafy mahamay,
Na fo na saina na fanahy,
Tena voadonan'i Raozy milay!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0311