ARAHABA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ARAHABA

Dia miova diary isika androany
Ka mifampiarahaba indray
Ireo taona lasa aleo ho any
Ity tonga atao tsarafandray

Dia arahaba rahalahy
Arahaba ranabavy
Tratry ny taona ihany lahy
K’hifaly isika mianakavy

Arahaba ry sakaiza
Ry namana , fianakaviana
Raiamandreny, sy mpitaiza
Feno izao ny fifaliana

Fa tojo tonon-taona vao
Asaramanitra anio
Ka ny teny ambara anao
Dia fohy ka mba tadidio

Ho tojo izay irina ianao
Ho feno koa fahasalamana
Ambinin-javatra atao
Ho to tokoa izay fikasana

Ho lavi-drofy, ho lavi-pery
Ho lavitry ny fahoriana
Sanatria izay ho irery
Raha sendra misy fijaliana

Ho tanteraka aminao
Ireo nofinofy faniriana
Ireo vinavina vetsonao
Hovitanao am-pifaliana

Dia tso-drano be dia be
No ampanarahina izany
Isika mianakavy anie
Ho tratry ny taona maro hatrany
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona
3437 2
Hevitra mandeha
fahamarinana ( 08/01/2009 20:11)
Dia mbola mahafinaritra hatrany e.Voavakiko izy io an !
raozigasy ( 09/01/2009 17:12)
Misaotra e ....
ikalamako ( 10/01/2009 14:56)
jereo eto :
http://dailymotion.alice.it/RRRVolantsoa/video/x7zitu_arahaba2009
raozigasy ( 10/01/2009 16:39)
Misaotra an'ikalamako e
ikalamako ( 10/01/2009 22:08)
Miala tsiny fa nisy diso teo @ lafiny teknika dia naverina ilay horonana ka izao izany dia http://dailymotion.alice.it/RRRVolantsoa/video/x7zo01_arahaba20090001_people
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0311