ARAHABAINA IANAO R'INENY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Arahabaina ianao r'Ineny, tratry ny taona enim-polo
Miarahaba anao daholo, izahay zanakao iray manontolo

Na izahay aty am-pita,
ela tsy tazana tsy hita
Na izy mivady izay any
miara-miombona izany
Indrindra moa fa Ifaralahy
ao aminao izay tsara mpiahy

Ka ny hany faniriana izay hitambaranay rehetra
Ho salama hatrany ianao, tsy harofy k'hanjoretra
Ary hiaraka hiria amin'ny fianakaviana
An-taona maromaro indray, hifampizara fifaliana

Atolotro ho an'i Neny noho ny faha 60 taonany
28-01-1947 / 28-01-2007
--------
Rohy:
1768 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0305