Asidiko (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asidiko an’eritra hiantefa any aminao ilay oroko mangina
Dia teny feno tamby, no hafatra lazainy, ampiany fitsikiana

Alefako an’habaka, hitondra vangivangy, ilay feo manafosafo
Dia lefalefa-bitsika, no mpisolo vava, ilay fitia mitafotafo

Ampitaiko an’nofy, handrary ny andronao, ilay kalo adaladala
R’ilay tsy fantatro iny, fa mampirediredy, tiako atao malala
--------
Rohy:
955 2
Mpakafy: kiriah - raozigasy
Hevitra mandeha
Soarilala ( 28/04/2012 18:59)
Raisiko an-tsiky, ireo hafatrao adaladala, miampy oroka mangina
Ka latsaka ao am-poko, 'reo teny mamy, tiako ianao ry tiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0334