Ataovy « serieux » (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hoe fitia te hanakiana, be fahatany akory
fa maro ireo resaka, mampitsangana matory,
tsy haiko hoe avy aiza, ny ati-doha nivoahany
mampihomehy faratampony, tena raindahiny

ilay « telepherique » iny no voalohany,
sa ny hahavon'Andohalo, no mahafanina ny lohany
tsy aleo ve ny arabe, no totofan-tara
dia diovina ny lalana, sy ny « trottoir »

ilay « autoroute » mandeha mankeny Ivato
tsy haiko aloha na vina, na hatao ato ho ato
izay tokoa ve no laharam-pahamehana
sa hanaovana «pointe» sy hifanenjehana

fa ity no tena henjana, tamin'ny ketrika sy fika
ny depiote mianakavy, izao « diplomatique »
hitety vazan-tany, hanapoaka bizna
ny anatin'ny valizy, ho tsentsina mihizina

hamaranana azy, aleo re hihomehezana
dia ireo minisitra, very sezan'ny tetezana
nitondra voan-dalana, tsy nody an-tanam-polo
foana ny birao, fa lasany daholo

raha hiteny ianao, hoe ataovy « serieux »
henoy ry « bois de dos » , aleo zahay « mafieux »
raha hiteny ianao, hoe izao ve dia mba rariny
izay tiany no ataony, ny « heriny » no ampariny

Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
1801 0
Hevitra mandeha
Mirasoua ( 21/07/2014 15:32)
Manao ze sai-patany mitsy ny manao politika e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0347