Aty amin'ny tanàna (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aty amin'ny tanàna

Tonga soa leitsy izahay aty an-tanàna
Ny zanako leitsy no tena tamana
Mahita ny « cousin »-ny sy ny havana
Mandeha « resto » isan’andro mitavana

Izaho faly ihany fa saingy voafetra
Fa « trop » be ny aty, fa tena voretra
Voretra ny vatana, voretra ny saina
Voretra ny teny, voretra ny fiaina

Nisy tononkalo nosoratako tany
Namintina fohy izany rehetra izany
Tsy angano leitsy iny na koa hoe arira
Vakio ange ilay TOKONTANY SOVENIRA*

Aiza ve leitsy ka an-tanan-dehibe
Tsy tahotra tsy henatra vehivavy lehibe
Mba tsongoin’olom-bolo, mba misy jerena
Tsy mihafa mamany eo ampovoan-tsena

Ny vodi-hazo rehetra sy ny zoron-trano
Raha tsy feno tay dia fandoavan’ny mamo
Tsy lazaina intsony amin’izany ny fofona
Raha tsy manampin’orona tonga dia kofona

Ny eny an-dalambe, tsy hay hoe ahoana
Raha tsy kilavadavaka dia kitoantoana
Tsy misy fifanajana, na mpandeha, na sarety
Na fitateram-bahoaka, na « motocyclette »

Ny vahoaka moa, tsy hita velively
Maniry hoatry ny anana, ireo tsenakely
Voanjo kely angamba iny dimy kapoaka
No andaniana indray andro handehana-mivoaka

Ny fivarotana sisam-bazaha sy sinoa
Mitobaka bobaka etsy sy eroa
Amidy daholo eny amin’ny fripy,
Kiraro, akanjo, « soutien » sy « slip »

Ny loza dia ny tsy fanarahan-dalàna
Iny leitsy ny ahy no tena nigagana
Iny tsy misy idiran’ny fitondrana
Ny tena toe-tsaina mihitsy no mila ovana

Ilay toe-tsaina leitsy no tena potika
Ny « base » fitaizana mihitsy no rotika
Tsy resaka hoe iza na iza filoha
Fa ny foto-pisainana mihitsy no voa

Na zato taona io, na taona arivo
Na ho lasa Etats Unis aza Antananarivo
Rehefa ny « civisme » mihitsy no ts’isy
Tsy hisy fivoarana eo fa indrisy

Ny politika aloha izaho tsy hiteny
Na ho fanatika hoe dada sy neny
Na hoe mpanenjika « toujours » afara
Na hoe zandry kely na koa hoe mapar

Ny resa-dalàna izao no malaza
Tsy hay intsony na matotra na resa-jaza
Miteny daholo izay te ho mpitondra
Io ilay nolazaiko tamin’ilay BADRAODRA**

Ny bandy aty vao misy dona vera
Tonga dia hoe ahoana ny sera
Ny sipa indray mitaraina hoe resy
Nefa hitako fa manao fikan’i NESY***

Tsy ratsy daholo koa anefa ny aty
Izaho izao amin’ity resaka poezia
Nahazo namana sy akama milay
Sady mpanoratra tena mahay

Amin’ny tononkalo ry zareo no mitaiza
Mitety vohitra hatraiza hatraiza
Mandany fotoana ary koa ron-doha
Hitondrana ampitso tsaratsara kokoa

Izay leitsy aloha fa avelako ialahy
Mbola betsaka ireo zavatra izay miandry ahy
Hamafiso ny sera amin’ny tary sy akama
Ilay rahampisto aza adino LAPAN’NY TANANA****

Seho tokana ataoko eto Dago leitsy io
Boky roa vaovao no hivoaka amin’io
Efa tsy nasiana vidim-pidirana
Mba hitsinjovana ireo izay sahirana

Izay leitsy aloha fa veloma ialahy,
Efa akaiky ho lany koa ilay TELMA
Ilay connection koa moa mampihomehy
Ka izay no tsy hiantsoako amin’ny MP

Raozigasy 30/04/2019
--------
Rohy:
698 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0304