Avadiho ny pejy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza atao mahakivy ny hetraky ny tany
Matoa tsy nety iny, dia tsy anjaranao izany
Fa atrakao ny loha, hatanjaho ny saina
Sedra ihany izany, ho an’ny manan’aina

Avadiho ny pejy, na ovay ilay boky
Ireo resaka efa vita, habobon-draboloky
Tsy nisy dina vita, na voady io na toky
Hevero toy ny hoe : fitiavam-boasoloky

Ka manomboka izao, mitafia hery
Ovao ny fo sy saina, ovao koa ny fijery
Raha misy ny mianjady, ianao tsy ho very
Fa izaho eto foana, tsy hamela anao ho irery

Mbola ho avy tsy ho ela, izay anjaranao
Amin’izay tsy ho mpindrana, fa tompony ianao
Afoizy raha izay izy, aleo hazoniny any,
Aza kivikivy, ny anjaranao mbola any
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1554 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0308